Bokin'i Jeremia 32:24
Indro, ny tovon-tany efa miorina akaikin’ ny tanàna hanafahana azy, ary ny tanàna dia atolotra eo an-tànan’ ny Kaldeana izay mamely azy noho ny sabatra sy ny mosary sy ny areti-mandringana; ary izay nolazainao dia tonga, ka indro, hitan’ ny masonao izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 32
Cross References
Deuteronomy 4:26dia miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aho anio fa vetivety foana dia ho fongotra tokoa ianareo tsy ho eo amin’ ny tany izay alehanareo hita an’ i Jordana holovana; tsy ho maro andro eo ianareo, fa haringana tokoa.
Deuteronomy 32:24Hofezahin’ ny mosary izy sady holanin’ ny areti-mandripaka Sy ny fandringanana mangidy; Ary nifim-biby no hampandehaniko aminy Jesorona dia anaran’ ny Isiraely. Mbamin’ ny poizin’ ny biby mpikisaka amin’ ny vovoka.
2 Samuel 20:15Ary dia tonga izy ka nanao fahirano azy teo Abela sy Beti-maka, ary nanandratra tovon-tany tandrifin’ ny tanàna izy, ka teo ivelany manolotra ny manda no nitoerany; ary ny olona izay nomba an’ i Joaba dia namely nandrava ny manda.
Jeremiah 14:12Fa na dia mifady hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fitarainany Aho; Ary na dia manatitra fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza izy, dia tsy hankasitraka azy Aho, fa haripako amin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy.
Jeremiah 16:4Ho fatin’ ny loza samy hafa izy, nefa tsy hisaonana na halevina, fa ho zezika eny ambonin’ ny tany; ary ho lanin-tsabatra sy mosary izy, ka ho fihinan’ ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny.
Jeremiah 24:10Ary hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ambara-pahalany ritrany tsy ho amin’ ny tany izay nomeko azy sy ny razany.