Bokin'i Jeremia 32:28
Koa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, efa hatolotro eo an-tànan’ ny Kaldeana ity tanàna ity sy eo an-tànan’ i Nebokadnezara mpanjakan’ i Babylona, ka ho afany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
27Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va?
Read all of Bokin'i Jeremia 32
Cross References
Isaiah 29:2Dia hampahory an’ i Ariela Aho, ka hisy fisentoana sy fitarainana ao aminy; Ary ho tonga Ariela tokoa amiko izy.
Jeremiah 20:5Ary ny harena rehetra amin’ ity tanàna ity sy ny vokatry ny fisasarany rehetra sy ny zava-tsoany rehetra ary ny rakitry ny mpanjakan’ ny Joda rehetra dia samy hatolotro eo an-tànan’ ny fahavalony, ka dia hamabo sy haka azy ireny ary hitondra azy ho any Babylona.
Jeremiah 32:3Fa Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, nampiambina azy ka nanao hoe: Nahoana ianao no maminany hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hatolotro eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona ity tanàna ity, ka ho afany;
Jeremiah 32:36Koa noho izany dia izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin’ ity tanàna ity, izay ataonareo hoe: Hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona amin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy: