Bokin'i Jeremia 32:30
Fa izay ratsy eo imasoko ihany no nataon’ ny Zanak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda hatry ny fony ireo mbola kely; fa ny Zanak’ Isiraely efa nampahatezitra Ahy tamin’ ny asan’ ny tànany, hoy Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 32
Cross References
Genesis 8:21Dia nandre ny hanitra ankasitrahana Jehovah, ka hoy Izy tam-pony: Tsy mba hanozona ny tany intsony noho ny amin’ ny olona Aho; fa ny fisainan’ ny fon’ ny olona dia ratsy hatramin’ ny fahazazany; ary tsy mba handringana ny velona rehetra intsony Aho tahaka izay nataoko.
Deuteronomy 9:22Ary tao Tabera sy Masa ary Kibrota-hatava no nampahatezeranareo an’ i Jehovah.
Nehemiah 9:16Fa niavonavona ireny razanay ireny, dia nanamafy ny hatony ka tsy nihaino ny didinao,
Isaiah 63:10Fa ireo kosa dia niodina ka nanome alahelo ny Fanahy Masiny; dia tonga fahavalony Izy ka niady taminy.
Jeremiah 3:25Aoka handry ao amin’ ny henatray izahay. Ary aoka hanarona anay ny fahafaham-boninahitray, satria tamin’ i Jehovah Andriamanitray no efa nanotanay dia izahay sy ny razanay, hatramin’ ny fahazazanay ka ambaraka androany sady tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitray izahay.
Jeremiah 8:19Injany! misy feo fitarainan’ ny oloko zanakavavy hatrany amin’ ny tany lavitra hoe: Moa Jehovah tsy ao Ziona va? Ary tsy ao aminy va ny Mpanjakany? Nahoana no nahatezitra Ahy ireny tamin’ ny sarin-javatra voasokitra ao aminy sy tamin’ ny zava-poana avy amin’ ny firenena hafa?