The Bible Software
bible.software › Bokin'i Jeremia › Bokin'i Jeremia 32 › Bokin'i Jeremia 32:33

Bokin'i Jeremia 32:33

Fa efa niamboho Ahy izy, fa tsy nanatrika Ahy, ary na dia nampianariko aza izy ― eny, nifoha maraina koa Aho ka nampianatra azy, dia tsy nihaino mba hahazoany anatra izy.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And they have turned unto me the back, and not the face: though I taught them, rising up early and teaching them, yet they have not hearkened to receive instruction.

In Context

32noho ny ratsy rehetra nataon’ ny Zanak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda, dia izy sy ny mpanjakany sy ny mpanapaka azy sy ny mpisorony sy ny mpaminaniny sy ny lehilahy amin’ ny Joda ary ny mponina any Jerosalema, mba hampahatezitra Ahy.

34Fa nametraka ny fahavetavetany tato amin’ ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy handotoany azy;

Read all of Bokin'i Jeremia 32

Cross References

Jeremiah 2:27Dia izay manao amin’ ny tapa-kazo hoe: Raiko ianao, ary amin’ ny vato hoe: Hianao no niteraka ahy; Fa efa niamboho Ahy izy ka tsy nanatrika Ahy; Nefa amin’ ny andro fahoriany kosa dia vao hanao hoe izy: Mitsangàna, ka vonjeo izahay.

Jeremiah 7:24Kanjo tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny, fa nandeha tamin’ ny fisainany sy ny ditry ny fo ratsiny ihany izy dia niamboho, fa tsy mba nanatrika.

Jeremiah 18:17Toy ny fampielin’ ny rivotra avy any atsinanana no hampielezako azy eo anoloan’ ny fahavalony; Hiamboho azy Aho, fa tsy hanatrika azy, amin’ ny andro hahitany loza.

Jeremiah 26:5ary tsy mihaino ny tenin’ ny mpaminany mpanompoko, izay irahiko aminareo, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka, nefa tsy mba nihaino ianareo

Jeremiah 35:15Nirahiko taminareo koa ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy hanao hoe: Samia miala amin’ ny lalanareo ratsy ianareo ankehitriny, ary ataovy tsara ny ataonareo, ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy, dia honina amin’ ny tany izay nomeko anareo sy ny razanareo ianareo nefa tsy nanongilana ny sofinareo na nihaino Ahy ianareo.

Ezekiel 8:16Dia nentiny ho eo amin’ ny kianja anatiny amin’ ny tranon’ i Jehovah aho, ary, indro, teo am-baravaran’ ny tempolin’ i Jehovah, dia teo anelanelan’ ny lavarangana fidirana sy ny alitara, dia nisy tokony ho dimy amby roa-polo lahy niamboho ny tempolin’ i Jehovah ka nanatrika ny atsinanana; ary ireo dia niankohoka manandrify ny masoandro, nanatrika ny atsinanana.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Jeremia 32:33

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Jeremia 32:32Bokin'i Jeremia 32Bokin'i Jeremia 32:34 →