Bokin'i Jeremia 32:35
ary nanorina ny fitoerana avon’ i Bala, izay ao amin’ ny Lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, izy mba hampandeha ny zananilahy sy ny zananivavy hamaky ny afo ho an’ i Moloka, izay tsy nandidiako azy, na tao an-tsaiko akory aza, ka dia nanao izany fahavetavetana izany izy mba hampanota ny Joda.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 32
Cross References
Exodus 32:21Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona: Inona no nataon’ ity firenena ity taminao, no nitondranao heloka lehibe taminy?
Leviticus 20:2Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Na iza na iza amin’ ny Zanak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo aminy, no manolotra ny zanany ho an’ i Moloka, dia hatao maty tokoa: ny vahoaka no hitora-bato azy.
Deuteronomy 24:4ilay nanambady azy taloha ka nisaotra azy dia tsy mahazo manambady azy intsony, rehefa voaloto izy; fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah izany; ary aza mampiditra heloka amin’ ny tany, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.
1 Kings 11:33satria efa nahafoy Ahy izy ka niankohoka teo anatrehan’ i Astarta, andriamani-bavin’ ny Sidoniana, sy Kemosy andriamanitr’ i Moaba, ary Milkoma, andriamanitry ny taranak’ i Amona, fa tsy nandeha tamin’ ny lalako hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko tahaka an’ i Davida rainy.
1 Kings 15:26Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa nandeha tamin’ ny lalan-drainy sy tamin’ ny fahotany izay nampanotany ny Isiraely.
1 Kings 16:19noho ny fahotana izay nataony tamin’ ny nanaovany izay ratsy eo imason’ i Jehovah, tamin’ ny nandehanany tamin’ ny lalan’ i Jeroboama sy tamin’ ny fahotana izay nataony sady nampanotany ny Isiraely.