bible.software › Bokin'i Jeremia › Bokin'i Jeremia 32 › Bokin'i Jeremia 32:43
Bokin'i Jeremia 32:43
Ary mbola hisy fividianana saha eto amin’ ity tany ity, izay ataonareo hoe Tany lao tsy misy olona na biby fiompy sady efa voatolotra eo an-tànan’ ny Kaldeana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And fields shall be bought in this land, whereof ye say, It is desolate without man or beast; it is given into the hand of the Chaldeans.
In Context
42Fa izao no lazain’ i Jehovah: Araka ny nampahatongavako izao loza lehibe rehetra izao tamin’ ity firenena ity, dia araka izany asa no hampahatongavako ny soa rehetra izay nokasaiko ho azy.
44Eny, saha no hovidin’ ny olona vola, ka hosoratany amin’ ny taratasy sy hasiany tombo-kase ary hasiany vavolombelona ao amin’ ny tanin’ ny Benjamina sy amin’ ny manodidina an’ i Jerosalema sy amin’ ny tanànan’ ny Joda sy amin’ ny tanàna any amin’ ny tany havoana sy amin’ ny tanàna ny amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka ary amin’ ny tanàna any amin’ ny tany atsimo; fa hampodiko avy amin’ ny fahababoany izy, hoy Jehovah.
Read all of Bokin'i Jeremia 32
Cross References
Jeremiah 32:36Koa noho izany dia izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin’ ity tanàna ity, izay ataonareo hoe: Hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona amin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy:
Ezekiel 37:11Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’ olona, ireto taolana ireto dia ny taranak’ Isiraely rehetra; indreo izy manao hoe: Maina ny taolanay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay.
This Verse In Other Editions
Study Bokin'i Jeremia 32:43