Bokin'i Jeremia 32:5
ary ho any Babylona no hitondrana an’ i Zedekia, ka ho any izy ambara-pamangiko azy, hoy Jehovah; na dia miady amin’ ny Kaldeana aza ianareo, dia tsy hambinina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Ary hoy Jeremia: Tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah hoe:
Read all of Bokin'i Jeremia 32
Cross References
Numbers 14:41Dia hoy Mosesy: Nahoana no mandika ny didin’ i Jehovah ianareo? fa tsy hambinina izany.
2 Chronicles 24:20Ary Zakaria, zanak’ i Joiada mpisorona, notsindrian’ ny Fanahin’ Andriamanitra, dia nitsangana teo amin’ ny avoavo teo anatrehan’ ny vahoaka izy ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin’ i Jehovah ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy an’ i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy.
Jeremiah 2:37Izany koa dia hialanao, ka hiloloha tanana ianao; Fa nolavin’ i Jehovah ny tokinao, ka tsy hambinina amin’ ireo ianao.
Jeremiah 27:22Ho any Babylona no hitondrana ireo, sady hitoetra any izy ambara-pahatongan’ ny andro hamangiako azy, hoy Jehovah, dia vao ho entiko miakatra izy ka hampodiko amin’ ity tanàna ity.
Jeremiah 34:4Nefa henoy ny tenin’ i Jehovah, ry Zedekia, mpanjakan’ ny Joda. Izao no lazain’ i Jehovah ny aminao: Tsy ho fatin-tsabatra ianao.
Jeremiah 39:4Ary rehefa nahita ireo Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny miaramila rehetra, dia nandositra izy ka lasa nandeha alina niala tao an-tanàna, nahazo ny lalana mankamin’ ny sahan’ ny mpanjaka, tamin’ ny vavahady eo anelanelan’ ny manda roa; ary lasa nivoaka nankany amin’ ny lalana mankeny amin’ ny tani-hay izy.