Bokin'i Jeremia 32:7
Indro Hanamela, zanak’ i Saloma, rahalahin-drainao, ho avy eto aminao hanao hoe: Vidionao ny sahako izay ao Anatota, fa ianao no havana akaiky tokony hanavotra azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Ary hoy Jeremia: Tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah hoe:
Read all of Bokin'i Jeremia 32
Cross References
Leviticus 25:23Ary ny tany tsy hatao varo-maty, satria Ahy ny tany; fa vahiny sy mpivahiny amiko ianareo.
Leviticus 25:25Raha tàhiny mihamalahelo ny rahalahinao, ka nivarotany ny taniny, dia ho avy ny havany akaiky ka hanavotra izay namidin’ ny rahalahiny.
Leviticus 25:49na ny rahalahin-drainy, na ny zanak’ olo-mirahalahy aminy, na izay havany akaiky azy amin’ ny mpianakaviny no mahazo manavotra azy; kanefa raha tratry ny ananany, dia hanavo-tena izy.
Joshua 21:18ary Anatota sy ny tany manodidina azy ary Almona sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra.
1 Kings 14:5Ary Jehovah efa nilaza tamin’ i Ahia hoe: Indro, avy ny vadin’ i Jeroboama hanontany anao ny amin’ ny zanany, fa marary izy; ary izao ka izao no holazainao aminy; nefa raha miditra izy, dia hody vehivavy hafa.
Jeremiah 11:21Koa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ny mponina ao Anatota, izay mitady ny ainao ka manao hoe: Aza maminany amin’ ny anaran’ i Jehovah, fandrao matin’ ny tananay ianao,