Bokin'i Jeremia 32:9
Ary novidiko tamin’ i Hanamela, zana-drahalahin’ ikaky, ny saha izay tao Anatota, ary nolanjaiko ny vola, dia sekely volafotsy fito ambin’ ny folo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 32
Cross References
Genesis 23:16Dia neken’ i Abrahama ny tenin’ i Efrona, ka nolanjainy ho azy ny vola izay efa voalazany teo anatrehan’ ny taranak’ i Heta, dia sekely volafotsy efa-jato lanin’ ny mpivarotra.
1 Kings 20:39Ary nony nandalo ny mpanjaka, dia nitaraina taminy ilay mpaminany ka nanao hoe: Izaho mpanomponao nankany anatin’ ny ady; ary, indro, nisy lehilahy anankiray nivily ka nitondra lehilahy tany amiko sady nanao hoe: Hazony ity lehilahy ity; fa raha tahìny lasa izy, dia ny ainao no hisolo ny amy, na handoa talenta volafotsy iray ianao.
Isaiah 55:2Nahoana ianareo no mandany vola amin’ izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin’ izay tsy mahavoky? Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin’ ny matavy ny fanahinareo.
Zechariah 11:12Dia hoy izaho taminy: Raha tsara eo imasonareo, dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany, dia aoka ihany. Ary dia nolanjainy ny karamako, ka sekely volafotsy telo-polo.