Bokin'i Jeremia 33:16
Amin’ izany andro izany dia hovonjena ny Joda, ary Jerosalema handry fahizay; Ary izao no hanononana azy: Jehovah Fahamarinantsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 33
Cross References
Deuteronomy 33:12Ary ny amin’ i BENJAMINA dia hoy izy: Ny malalan’ i Jehovah honina fahizay eo aminy, Dia halofany mandrakariva, Ary hobabeny eo an-damosiny.
Isaiah 45:17Fa ny Isiraely kosa ho voavonjin’ i Jehovah Amin’ ny famonjena mandrakizay; tsy ho menatra na hangaihay mandrakizay mandrakizay ianareo.
Isaiah 45:24Ao amin’ i Jehovah ihany no misy fahamarinana be sy hery, ka izy ihany no hohatonin’ ny olona, ary ho menatra izay rehetra tezitra aminy.
Jeremiah 23:6Amin’ ny androny no hamonjena ny Joda, sy handrian’ ny Isiraely fahizay, ary izao no anarany izay hanononana Azy: Jehovah Fahamarinantsika.
Jeremiah 50:7Izay rehetra nahita azy dia nandringana azy, ary ny fahavalony nanao hoe: Tsy manan-keloka izahay, satria izy efa nanota tamin’ i Jehovah, fonenan’ ny fahamarinana, dia Jedovah, fanantenan’ ny razany.
Ezekiel 34:25Ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho ka hampiala ny biby masiaka tsy ho eo amin’ ny tany intsony, dia handry fahizay izy na dia any an-efitra aza, sady hatory na dia any anaty ala aza.