Bokin'i Jeremia 34:15
Ary nibebaka ianareo androany ka nanao izay mahitsy eo imasoko tamin’ ny niantsoanareo fanafahana, samy handefa ny rahalahiny avy; ary nanao fanekena teo anatrehako ianareo, dia tao amin’ ny trano izay efa niantsoana ny anarako;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 34
Cross References
1 Kings 21:27Ary rehefa ren’ i Ahaba izany teny izany, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana nataony manolo-koditra sady nifady hanina sy nandry tamin-damba fisaonana ary nijoretra teny am-pandehanana.
2 Kings 12:2Ary tamin’ ny taona fahafito nanjakan’ i Jeho no vao nanjaka izy; ary efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Zibia, avy any Beri-sheba.
2 Kings 23:3Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin’ ny fitoeran’ andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan’ i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin’ ny fanekena sy izay voasoratra ao amin’ izany boky izany. Ary ny vahoaka rehetra koa dia mba nanaiky ny fanekena.
Psalms 76:11Fa ny fahatezeran’ ny olona hidera Anao tokoa; ny fahatezerana sisa dia isikinanao.
Isaiah 58:2Nefa Izaho mbola tadiaviny ihany isan’ andro isan’ andro, ary ny hahalala ny lalako no sitrany. Tahaka ny firenena efa nanao ny marina ka tsy nahafoy ny fitsipik’ Andriamaniny no fanontaniany amiko ny fitsipiky ny fahamarinana, sy aniriany ny hihavian’ Andriamanitra.
Jeremiah 32:34Fa nametraka ny fahavetavetany tato amin’ ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy handotoany azy;