Bokin'i Jeremia 34:2
Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Mandehana, lazao amin’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, ka ambarao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hatolotro eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona ity tanàna ity, ka hodorany amin’ ny afo izy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 34
Cross References
2 Chronicles 36:11Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema.
Jeremiah 21:10Fa efa manandrina ity tanàna ity Aho hahatonga loza aminy, fa tsy soa, hoy Jehovah; hatolotro eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona ity ka hodoroany amin’ ny afo.
Jeremiah 32:3Fa Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, nampiambina azy ka nanao hoe: Nahoana ianao no maminany hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hatolotro eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona ity tanàna ity, ka ho afany;
Jeremiah 34:22Indro, handidy Aho, hoy Jehovah, ary hampivereniko ho amin’ ity tanàna ity ireo; ary hasiany ity ka ho afany, dia hodorany amin’ ny afo; ary ny tanànan’ ny Joda dia hofoanako tsy hisy mponina.
Jeremiah 37:8fa ho avy indray ny Kaldeana ka hamely ity tanana ity sady hanafaka azy sy handoro azy amin’ ny afo.
Jeremiah 39:8Ary nodoran’ ny Kaldeana tamin’ ny afo ny tranon’ ny mpanjaka sy ny tranon’ ny vahoaka, ary ny mandan’ i Jerosalema noravany.