Bokin'i Jeremia 34:3
ary ianao tsy ho afa-mandositra ny tànany, fa ho voasambotra tokoa ka hatolotra eo an-tànany; ary ny masonao hahita ny mason’ ny mpanjakan’ i Babylona, dia hiteny mifanatrika aminao izy, sady ho tonga any Babylona ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 34
Cross References
Jeremiah 21:7Ary rehefa afaka izany, hoy Jehovah, Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny mpanompony sy ny vahoaka ary izay sisa tsy matin’ ny areti-mandringana sy ny sabatra sy ny mosary amin’ ity tanàna ity dia hatolotro eo an-tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy eo an-tànan’ ny fahavalony sy eo an-tànan’ izay mitady ny ainy; dia hamely azy amin’ ny lelan-tsabatra ireo, fa tsy hitsitsy na hiantra azy, na hamindra fo aminy.
Jeremiah 34:21Ary Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny mpanapaka dia hatolotro eo an-tànan’ ny fahavalony sy eo an-tànan’ izay mitady ny ainy ary eo an-tànan’ ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Babylona, izay efa lasa niala taminareo.
Jeremiah 38:18fa raha tsy mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan’ i Babylona kosa ianao, dia hatolotra eo an-tànan’ ny Kaldeana ity tanàna ity, sady hodorany amin’ ny afo izy, ary tsy ho afa-mandositra ny tànany ianao.
Jeremiah 39:4Ary rehefa nahita ireo Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny miaramila rehetra, dia nandositra izy ka lasa nandeha alina niala tao an-tanàna, nahazo ny lalana mankamin’ ny sahan’ ny mpanjaka, tamin’ ny vavahady eo anelanelan’ ny manda roa; ary lasa nivoaka nankany amin’ ny lalana mankeny amin’ ny tani-hay izy.
Jeremiah 52:11Ary nopotsiriny ny mason’ i Zedekia, dia nafatotry ny mpanjakan’ i Babylona tamin’ ny gadra varahina izy ka nentiny nankany Babylona ary nataony tao an-trano-maizina mandra-pahafatiny.
Ezekiel 17:16Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia any amin’ ny tanin’ ilay mpanjaka nampanjaka azy sady nampianiana azy nefa nohamavoiny ny fianianana, ary nivadihany ny fanekeny eny, any amin’ io, any Babylona, no hahafatesany.