Bokin'i Jeremia 35:2
Mankanesa any amin’ ny taranak’ i Rekaba, ary mitenena aminy, dia ampidiro ao an-tranon’ i Jehovah, ao amin’ ny efi-trano anankiray, izy, ka omeo divay hosotroiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 35
Cross References
1 Kings 6:10Ary ny paosin-trano nataony manodidina ny trano, dimy hakiho avy ny hahavony, ary hazo sedera no nikambanany tamin’ ny trano.
1 Chronicles 2:55ary ny fokon’ ny mpanoratra izay nonina tany Jabeza, dia ny Tiratita sy ny Simeatita ary ny Sokatita. Ireo no Kenita avy tamin’ i Hamata, rain’ ny taranak’ i Rekaba.
1 Chronicles 9:33Ary ireo ihany koa no mpihira, lohan’ ny fianakaviana amin’ ny Levita, izay mitoetra tsy manan-draharaha hafa ao amin’ ireo efi-trano; fa tsy maintsy ho amin’ izany raharaha izany andro aman’ alina izy.
1 Chronicles 28:12ary ny sarin’ izay rehetra efa niseho tamin’ ny fanahiny; dia ny amin’ ny kianjan’ ny tranon’ i Jehovah sy ny efi-trano rehetra manodidina azy ho an’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra,
2 Chronicles 31:11Ary nasain’ i Hezekia namboatra efi-trano fitehirizana tao amin’ ny tranon’ i Jehovah izy; dia namboariny izany.
Nehemiah 13:5dia efa nanamboatra efi-trano lehibe ho azy, dia ilay nitehirizana ny fanatitra hohanina fahiny mbamin’ ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanaka ary ny ampahafolon’ ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, izay anjara voadidy ho an’ ny Levita sy ny mpihira ary ny mpiandry varavarana, ary ny fanatitra asandratra ho an’ ny mpisorona.