Bokin'i Jeremia 35:6
Fa hoy kosa ireo: Tsy hisotro divay izahay; fa Jonadaba, zanak’ i Rekaba, razanay efa nafatra anay hoe: Aza mba misotro divay ianareo na ny taranakareo mandrakizay;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 35
Cross References
Genesis 25:27Dia nitombo ireo zaza ireo; ary Esao lehilahy nahay nihaza, dia mpianefitra, fa Jakoba kosa lehilahy tsara fanahy sady mpitoetra an-day.
Exodus 20:12Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho anao.
Leviticus 23:42Ao amin’ ny trano rantsan-kazo no hitoeranareo hafitoana; ny tompon-tany rehetra amin’ ny Zanak’ Isiraely dia samy hitoetra ao amin’ ny trano rantsan-kazo avokoa,
Judges 13:7Fa hoy Izy tamiko: Indro, hanan’ anaka ianao ka hiteraka zazalahy; koa ankehitriny aza misotro divay na toaka ianao, ary aza mihinana akory izay zava-padina; fa ho Nazirita ho an’ Andriamanitra ny zaza hatrany an-kibo ka ambara-pahafatiny
2 Kings 10:15Ary rehefa niala teo Jeho, dia nahita an’ i Jonadaba, zanakalahin’ i Rekaba, avy manatona azy; dia niarahaba azy izy ary nanao taminy hoe: Marina va ny fonao tahaka ny foko amin’ ny fonao? Ary Jonadaba namaly hoe: Eny. Raha izany ary no izy, hoy Jeho, dia aoka isika hifandray tanana. Dia natolony ny tànany, ka nampiakarin’ i Jeho ho eo aminy teo anatin’ ny kalesy izy.
1 Chronicles 2:55ary ny fokon’ ny mpanoratra izay nonina tany Jabeza, dia ny Tiratita sy ny Simeatita ary ny Sokatita. Ireo no Kenita avy tamin’ i Hamata, rain’ ny taranak’ i Rekaba.