Bokin'i Jeremia 35:8
Dia nankatoavinay izany tenin’ i Jonadaba, zanak’ i Rekaba, razanay izany tamin’ izay rehetra nanafarany anay, mba tsy hisotro divay amin’ ny andronay rehetra, na izahay na ny vadinay, na ny zanakai-lahy, na ny zanakai-vavy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9ary tsy hanao trano hitoeranay, na hanana tanimboly, na saha, na voan-javatra izahay;
Read all of Bokin'i Jeremia 35
Cross References
Proverbs 4:1Ry zanaka, henoy ny anatry ny ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ny fahalalana tsara.
Proverbs 6:20Anaka, tandremo ny didin-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao.
Colossians 3:20Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin’ ny Tompo izany.