Bokin'i Jeremia 36:4
Ary Jeremia niantso an’ i Baroka, zanak’ i Neria, ary dia nosoratan’ i Baroka tamin’ ny horonan-taratasy ny tenin’ i Jehovah rehetra avy tamin’ ny vavan’ i Jeremia, dia izay efa nolazainy taminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 36
Cross References
Isaiah 30:8Mandehana ankehitriny soraty amin’ ny fàfana eo anatrehany izany, ary soraty amin’ ny taratasy mba haharitra amin’ ny andro any aoriana mandrakizay doria izany.
Jeremiah 32:12dia natolotro an’ i Baroka, zanak’ i Neria, zanak’ i Mahaseia, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin’ ny vidin-tany, teo imason’ i Hanamela, zana-drahalahin’ ikaky, sy teo anatrehan’ ny vavolombelona izay nanao sonia tamin’ ny taratasy nisy ny fanekena tamin’ ny vidin-tany, dia teo anatrehan’ ny Jiosy rehetra izay nipetraka teo an-kianjan’ ny trano fiambenana.
Jeremiah 36:18Dia hoy Baroka taminy: Ny vavany no nanonona izany teny rehetra izany tamiko, ka dia nosoratako an-taratasy tamin’ ny ranomainty.
Jeremiah 36:23Ary nony efa namaky toko telo na efatra Jehody, dia notapatapahin’ ny mpanjaka tamin’ ny antsipika ny horonan-taratasy ka natsipitsipiny teo anaty afo teo am-patana, mandra-pahalevon’ ny afo azy rehetra teo am-patana.
Jeremiah 36:28Makà horonan-taratasy hafa koa indray ianao, ka soraty aminy ilay teny rehetra tamin’ ny horonan-taratasy teo, dia ilay nodoran’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda.
Jeremiah 43:3fa Baroka, zanak’ i Neria, no nanome fo anao hamely anay mba hanolotra anay ho eo an-tànan’ ny Kaldeana hahafaty anay sy hahalasa anay ho babo any Babylona.