The Bible Software
bible.software › Bokin'i Jeremia › Bokin'i Jeremia 37 › Bokin'i Jeremia 37:13

Bokin'i Jeremia 37:13

Ary raha tonga teo am-bavahadin’ i Benjamina izy, dia, indro, ny kapitenin’ ny mpiambina, atao hoe Jiria, zanak’ i Selemia, zanak’ i Hanania, no teo; dia nisambotra an’ i Jeremia mpaminany izy ka nanao hoe: Miray tetika amin’ ny Kaldeana ianao.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And when he was in the gate of Benjamin, a captain of the ward was there, whose name was Irijah, the son of Shelemiah, the son of Hananiah; and he took Jeremiah the prophet, saying, Thou fallest away to the Chaldeans.

In Context

12dia nivoaka Jeremia avy tao Jerosalema hankany amin’ ny tanin’ ny Benjamina mba handray izay anjarany eo amin’ ny vahoaka.

14Fa hoy Jeremia: Lainga izany. Tsy miray tetika amin’ ny Kaldeana aho. Nefa tsy nino azy ireo, ka dia nosamborin’ i Jiria ihany Jeremia ary nentiny ho ao amin’ ny mpanapaka.

Read all of Bokin'i Jeremia 37

Cross References

Jeremiah 18:18Dia hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an’ i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalàna avy amin’ ny mpisorona, na ny saina avy amin’ ny hendry, na ny teny avy amin’ ny mpaminany. Aoka ny vavantsika ho enti-mamely azy, ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny.

Jeremiah 21:9Izay mbola mitoetra eto amin’ ity tanàna ity ihany dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana izay manao fahirano anareo kosa dia ho velona, ka ny ainy no ho babony.

Jeremiah 27:12Ary Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, koa dia efa nilazako araka izany teny rehetra izany hoe: Ampidiro eo amin’ ny ziogan’ ny mpanjakan’ i Babylona ny vozonareo, ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.

Jeremiah 36:12dia nidina nankany amin’ ny tranon’ ny mpanjaka izy ka nankao amin’ ny efi-tranon’ ny mpanoratra; ary indreo ny mpanapaka rehetra nipetraka teo, dia Elisama mpanoratra sy Delaia, zanak’ i Semaia, sy Elnatana zanak’ i Akbora, sy Gemaria, zanak’ i Safana, sy Zedekia, zanak’ i Hanania, mbamin’ ny mpanapaka rehetra.

Jeremiah 38:4Dia hoy ny mpanapaka tamin’ ny mpanjaka: Trarantitra ianao, aoka hovonoina ity lehilahy ity; fa mampiraviravy tanana ny miaramila izay sisa amin’ ity tanàna ity mbamin’ ny olona rehetra izy noho ny nitenenany taminy araka izany teny izany; fa ity lehilahy ity tsy mba mitady izay hiadanan’ ity firenena ity, fa izay hahatonga loza aminy kosa.

Jeremiah 38:10Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Ebeda-meleta Etiopiana hoe: Mitondrà telo-polo lahy hiaraka aminao hampakatra an’ i Jeremia mpaminany hiala ao anaty lavaka, dieny tsy mbola maty izy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Jeremia 37:13

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Jeremia 37:12Bokin'i Jeremia 37Bokin'i Jeremia 37:14 →