Bokin'i Jeremia 38:7
Ary Ebeda-meleka Etiopiana, tandapa anankiray tao amin’ ny tranon’ ny mpanjaka, raha nandre ny nandatsahany an’ i Jeremia tao amin’ ny lavaka (nipetraka teo amin’ ny vavahadin’ ny Benjamina ny mpanjaka androtr’ iny),
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8dia nivoaka avy tao an-tranon’ ny mpanjaka izy ka nanao tamin’ ny mpanjaka hoe:
Read all of Bokin'i Jeremia 38
Cross References
Deuteronomy 21:19dia hosamborin’ ny rainy sy ny reniny izy ka ho entiny amin’ ny loholona amin’ ny tanànany, eo amin’ ny vavahadin’ ny tanàna onenany,
Job 29:7Raha niainga niakatra ho eo amin’ ny vavahadin’ ny tanàna aho ka nametraka ny fipetrahako teo an-kalalahana,
Proverbs 29:10Ny olona mpandatsa-drà mankahala ny tsy misy tsiny; Fa ny mahitsy kosa miahy ny ainy.
Jeremiah 29:2(rehefa lasa niala tany Jerosalema Jekonia mpanjaka sy ny reniny sy ny tandapa sy ny mpanapaka ny Joda sy Jerosalema mbamin’ ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy),
Jeremiah 37:13Ary raha tonga teo am-bavahadin’ i Benjamina izy, dia, indro, ny kapitenin’ ny mpiambina, atao hoe Jiria, zanak’ i Selemia, zanak’ i Hanania, no teo; dia nisambotra an’ i Jeremia mpaminany izy ka nanao hoe: Miray tetika amin’ ny Kaldeana ianao.
Amos 5:10Halany eo am-bavahady izay mananatra, ary ataony ho fahavetavetana izay miteny ny marina.