Bokin'i Jeremia 39:1
Ary rehefa afaka Jerosalema (tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona fahasivy nanjakan’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, no nahatongavan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy ny miaramilany rehetra hamely an’ i Jerosalema ka nanao fahirano azy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 39
Cross References
2 Chronicles 36:17Koa nentiny namely azy ny mpanjakan’ ny Kaldeana, izay namono ny zatovony tamin’ ny sabatra tao an-trano fitoerana masìna, ary tsy nisy namindrany fo, na zatovo na virijina, na ny antitra sy ny fotsy volo; fa izy rehetra dia natolony ho eo an-tànany avokoa.
Jeremiah 34:1Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah, fony Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy ny miaramilany rehetra ary ny fanjakana rehetra amin’ ny tany izay nanjakany mbamin’ ny firenena rehetra izay namely an’ i Jerosalema sy ny tanànany rehetra, nanao hoe:
Jeremiah 52:4Ary tamin’ ny andro fahafolo tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona fahasivy nanjakan’ i Zedekia, dia tonga Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy ny miaramilany rehetra, hamely an’ i Jerosalema, ka nitoby tandrifiny sady nanao tilikambo manodidina azy izy.
Ezekiel 24:2Ry zanak’ olona, soratinao ny anaran’ ny andro, dia izao andro anio izao; ny mpanjakan’ i Babylona miantomboka mamely an’ i Jerosalema amin’ izao andro anio izao.