Bokin'i Jeremia 39:14
dia naniraka haka an’ i Jeremia teo amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana, ka natolony an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, mba ho entiny any an-trano izy, ka dia nitoetra tao amin’ ny olona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 39
Cross References
2 Kings 22:12Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Hilkia mpisorona sy Ahikama, zanak’ i Safana, sy Akbora, zanak’ i Mikaia, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon’ andriana, hoe:
Psalms 105:19Mandra-pahatongan’ ny fotoana hahatanterahan’ ny teniny; Nizaha toetra azy ny tenin’ i Jehovah.
Jeremiah 26:24Nefa ny tànan’ i Ahikama, zanak’ i Safana, dia nomba an’ i Jeremia mba tsy hanolorana azy ho eo an-tànan’ ny vahoaka hovonoiny.
Jeremiah 38:13ka dia nosintoniny tamin’ ny mahazaka Jeremia ka nakariny avy tao anaty lavaka, ary dia nitoetra teo amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana izy.
Jeremiah 39:15Ary tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah, fony izy mbola voahazona tao amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana ihany, nanao hoe:
Jeremiah 40:7Ary raha ren’ ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha sy ny olom-peheziny fa ny mpanjakan’ i Babylona efa nanendry an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, ho mpanapaka ny tany sy ho mpitandrina ny lehilahy mbamin’ ny zaza amim-behivavy ary ny malahelo sasany teo amin’ ny tany izay tsy mbola lasan-ko babo tany Babylona,