Bokin'i Jeremia 39:4
Ary rehefa nahita ireo Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny miaramila rehetra, dia nandositra izy ka lasa nandeha alina niala tao an-tanàna, nahazo ny lalana mankamin’ ny sahan’ ny mpanjaka, tamin’ ny vavahady eo anelanelan’ ny manda roa; ary lasa nivoaka nankany amin’ ny lalana mankeny amin’ ny tani-hay izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 39
Cross References
Leviticus 26:17Dia hanandrina anareo ny Tavako, ka ho resy eo anoloan’ ny fahavalonareo ianareo; ary izay mankahala anareo no hanapaka anareo; dia handositra ianareo, na dia tsy misy manenjika aza.
Deuteronomy 28:25Hatolotr’ i Jehovah ho resy eo anoloan’ ny fahavalonao ianao, ka lalana iray no hivoahanao hiady aminy, fa lalana fito kosa no handosiranao hiala eo anoloany; dia ho mpanjenjena any amin’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany ianao.
2 Kings 25:4Ary nisy voabanga ny tanana, dia nandositra alina ny miaramila rehetra tamin’ ny lalana nankamin’ ny vavahady tanelanelan’ ny manda roa, izay eo anilan’ ny sahan’ ny mpanjaka (fa ny Kaldeana nanodidina ny tanàna), ary ny mpanjaka nandeha tamin’ ny lalana mankeny amin’ ny tani-hay.
Isaiah 22:3Niara-nandositra ny lehibenao, nafatotra tsy amin-tsipìka izy; Izay rehetra hita tao aminao dia niara-nafatotra, na dia nitady handositra lavitra aza.
Isaiah 30:15Fa izao no lazain’ ny Tompo, dia Jehovah, ny Iray Masin’ ny Isiraely: Amin’ ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin’ ny fanginana sy ny fahatokiana no hisian’ ny herinareo; Nefa tsy nety ianareo;
Jeremiah 38:18fa raha tsy mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan’ i Babylona kosa ianao, dia hatolotra eo an-tànan’ ny Kaldeana ity tanàna ity, sady hodorany amin’ ny afo izy, ary tsy ho afa-mandositra ny tànany ianao.