Bokin'i Jeremia 4:11
Amin’ izany andro izany dia holazaina amin’ ity firenena ity sy Jerosalema hoe: Hisy rivo-mahamay avy any an-tendrombohitra mangadihady any an-efitra hankamin’ ny oloko zanakavavy, kanefa tsy hikororohana na hanadiovana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 22:4Koa izany no anaovako hoe: Mihodìna tsy hijery ahy, fa hitomany mafy dia mafy aho; Aza dia fatra-pampionona ahy noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy
Isaiah 41:16Hikororoka azy ianao, ka hopaohin’ ny rivotra izy, ary ny tafio-drivotra hanely azy; Fa ianao kosa dia hiravoravo amin’ i Jehovah, ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no ho reharehanao.
Jeremiah 8:19Injany! misy feo fitarainan’ ny oloko zanakavavy hatrany amin’ ny tany lavitra hoe: Moa Jehovah tsy ao Ziona va? Ary tsy ao aminy va ny Mpanjakany? Nahoana no nahatezitra Ahy ireny tamin’ ny sarin-javatra voasokitra ao aminy sy tamin’ ny zava-poana avy amin’ ny firenena hafa?
Jeremiah 9:7Zana-tsipìka mahafaty ny lelany ka miteny fitaka; Raha amin’ ny vavany, dia miteny fihavanana amin’ ny namany izy, kanjo ao anatiny kosa dia manao otri-po.
Jeremiah 23:19He! ny tadion’ i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin’ ny lohan’ ny ratsy fanahy.
Jeremiah 51:1Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hamporisihiko ny fanahin’ ny mpandringana hamely an’ i Babylona sy izay monina ao Leba-kamay.