Bokin'i Jeremia 4:13
Indro, avy toy ny rahona izy, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, faingana noho ny voromahery ny soavaliny; Lozantsika! fa lany ringana isika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 5:28Maranitra ny zana-tsipìkany, Ary voahenjana avokoa ny tsipìkany; Ny kitron-tsoavaliny atao ho tahaka ny afovato; Ary ny kodiany ho tahaka ny tadio;
Isaiah 19:1Indro, Jehovah mitaingina rahona miriotra mafy ka mankany Egypta; Ary ny andriamani-tsi-izy any Egypta dia mangorohoro eo anatrehany, ary ny fon’ i Egypta dia ketraka ao anatiny.
Jeremiah 4:31Fa efa nandre feo Aho tahaka ny vehivavy raha miteraka sy fidridridridriana tahaka ny vehivavy izay vao miteraka ny matoany, dia ny feon’ i Ziona zanakavavy, izay misefosefo sady mamelatra ny tànany ka manao hoe: Lozako! Fa reraka ny aiko azon’ ireo mpamono olona.
Jeremiah 10:19Mahita loza aho, fa torotoro! Tsy azo sitranina ny feriko; Nefa hoy Izaho: Anjara-fahoriako izao, ka dia hozakaiko ihany.
Jeremiah 48:40Fa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hanidina toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany hipaoka an’ i Moaba.
Daniel 7:4Ny voalohany dia toy ny liona ary nanana elatry ny voromahery; nijery aho ambara-panongotra ny elany, ary natsangana avy tamin’ ny tany izy ka najoro tamin’ ny tongony roa toy ny fijoron’ ny olona, sady natao manana fon’ olombelona izy.