Bokin'i Jeremia 4:14
Ry Jerosalema, sasao ny fonao ho afaka amin’ ny ratsy, mba hovonjena ianao! Mandra-pahoviana no hitoeran’ ny hevi-dratsinao ao am-ponao?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Fa injany! misy feo manambara avy any Dana sy filazam-pahoriana avy amin’ ny tany havoan’ i Efraima,
Cross References
Psalms 66:18Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo;
Proverbs 1:22Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian’ ny mpaniratsira amin’ ny faniratsirana, Ary hankahalan’ ny adala ny fahalalana?
Isaiah 55:7Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’ i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin’ Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
Jeremiah 18:11Koa amin’ izany, lazao amin’ ny Joda sy amin’ ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, Izaho mamorona loza hihatra aminareo ary mihevitra izay hamelezako anareo; Koa samia miala amin’ ny lalany ratsy avy ianareo, ary ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo.
Matthew 12:33Koa ataovy tsara ny hazo mbamin’ ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin’ ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo.
Matthew 23:26Ry Fariseo jamba! diovy aloha ny atin’ ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony.