Bokin'i Jeremia 4:16
Lazaonareo amin’ ny firenena, torio amin’ i Jerosalema hoe: Misy mpanao fahirano avy any an-tany lavitra ka manakora hamely ny tanànan’ ny Joda.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Fa injany! misy feo manambara avy any Dana sy filazam-pahoriana avy amin’ ny tany havoan’ i Efraima,
17Manodidina azy ireo toy ny fanaon’ ny mpiandry saha, fa efa niodina tamiko izy, hoy Jehovah.
Cross References
Isaiah 34:1Manatona, ianareo jentilisa, mba handre; Ary mihainoa, ianareo firenena; Aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, Izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy.
Jeremiah 2:15Hamely azy no ampieronan’ ny liona tanora sy amoahany feo ka mahatonga ny taniny ho lao nodorana ny tanànany, ka tsy nisy mponina.
Jeremiah 5:6Koa noho izany dia mamely azy ny liona avy any an’ ala, ary mandringana azy ny amboadia avy any an-efitra, ny leoparda miandry hamely ny tanànany, ka izay rehetra mivoaka avy ao dia viraviraina; Fa efa maro ny fahadisoany, ary fatratra ny fiodinany.
Jeremiah 6:18Koa henoinareo, ry jentilisa, ary aoka ho fantatrareo, ry fiangonana, ny hanjo azy.
Jeremiah 6:22Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, misy firenena avy any amin’ ny tany avaratra, dia firenena lehibe mitsangana avy any amin’ ny faran’ ny tany;
Jeremiah 16:6Ho faty na ny lehibe na ny kely amin’ ity tany ity; Samy tsy halevina na hisaonana izy, na hitetehan’ ny sasany tena, na hiboriany;