Bokin'i Jeremia 4:5
Ambaraonareo ao amin’ ny Joda, ary torio ao Jerosalema, ka ataovy hoe: Tsofy ao amin’ ny tany ny anjomara; Miantsoantsoa mafy, ka ataovy hoe: Mivoria ianareo, ka andeha isika hiditra amin’ ny tanàna mimanda.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 10:3Ary raha tsofina avokoa ireo, dia hivory eo aminao, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, ny fiangonana rehetra.
Isaiah 28:19Ary na oviana na oviana no ihaviany, dia hahatratra anareo izany; Fa isa-maraina isa-maraina no hihaviany, na andro na alina; Ary ny vokatry ny fahafantarana izany fianarana izany dia fangovitana ihany.
Jeremiah 6:1Hianareo, zanak’ i Benjamina, mandosira faingana hiala an’ i Jerosalema, ary tsofy ao Tekoa ny anjomara, ka manaova tsangan’ afo ao Beti-hakerema; Fa misy loza sy fandringanana be miposaka avy any avaratra.
Jeremiah 9:12Ary hoy Jehovah: satria nahafoy ny lalàko izay nataoko teo anoloany izy ka tsy nankato izany ary tsy nihaino ny feoko,
Jeremiah 35:11Fa raha nananika ny tany Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona. Dia hoy izahay: Andeha isika hankany Jerosalema handositra ny miaramilan’ ny Kaldeana sy ny miaramilan’ ny Syriana, ka dia izany no itoerany eto Jerosalema.
Hosea 8:1Ataovy eo am-bavanao ny anjomara! Fa hisy toy ny voromahery hipaoka ny tranon’ i Jehovah, satria efa nivadika ny fanekeko sy nandika ny lalàko ireo.