Bokin'i Jeremia 4:6
Manangàna faneva manandrify an’ i Ziona; Mandosira faingana, aza mijanona; Fa Izaho hahatonga loza sy fandringanana be avy any avaratra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Jeremiah 1:13Ary tonga tamiko fanindroany indray ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: Inona izao hitanao izao; Ary hoy izaho: Vilany mangotraka no hitako, ary mitongilana mianatsimo ny vavany.
Jeremiah 4:21Mandra-pahoviana re no mbola hijereko ny faneva sy handrenesako ny feon’ anjomara?
Jeremiah 6:22Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, misy firenena avy any amin’ ny tany avaratra, dia firenena lehibe mitsangana avy any amin’ ny faran’ ny tany;
Jeremiah 21:7Ary rehefa afaka izany, hoy Jehovah, Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny mpanompony sy ny vahoaka ary izay sisa tsy matin’ ny areti-mandringana sy ny sabatra sy ny mosary amin’ ity tanàna ity dia hatolotro eo an-tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy eo an-tànan’ ny fahavalony sy eo an-tànan’ izay mitady ny ainy; dia hamely azy amin’ ny lelan-tsabatra ireo, fa tsy hitsitsy na hiantra azy, na hamindra fo aminy.
Jeremiah 50:2Ambaraonareo, eny, torio any amin’ ny firenena, ary manangàna faneva, torio, fa aza afenina, ataovy hoe: Afaka Babylona! Mangaihay Bela, raiki-tahotra Merodaka! Eny, mangaihay ny sampiny, Raiki-tahotra ny sarin-javatra!
Jeremiah 51:12Manangàna faneva eo akaikin’ ny mandan’ i Babylona; Ataovy mafy ny fiambenana; Alatsaho ny mpiambina, alamino ny Otrika; Fa Jehovah sady efa nisaina no nahatanteraka izay nolazainy ny amin’ ny mponina any Babylona.