Bokin'i Jeremia 4:8
Ary noho izany dia misikìna lamba fisaonana ianareo, ka mitomania sy midradradradrà; Fa ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah tsy afaka amintsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Psalms 78:49Nandatsaka ny fahatezerany mirehitra taminy Izy: eny, fahavinirana sy fahatezerana ary fampahoriana, dia anjely andiany mitondra loza.
Isaiah 9:12Fa ny olona tsy miverina amin’ Izay mamely azy, Eny, Jehovah, Tompon’ ny maro, tsy mba tadiaviny.
Isaiah 13:6Midradradradrà ianareo, fa efa antomotra ny andron’ i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ ny Tsitoha no fihaviny.
Isaiah 22:12Ary amin’ izany andro izany Jehovah, Tompon’ ny maro, Hiantso fitomaniana sy fioriana sy fiharatana ary fisikinana lamba fisaonana.
Jeremiah 6:26Ry oloko zanakavavy, misikìna lamba fisaonana ianao, ary mihosena lavenona, ka manaova fisaonana toy ny fisaonana zanakalahy tokana, dia fitomaniana fatratra; Fa ho avy tampoka amintsika ny mpandringana.