Bokin'i Jeremia 40:5
Ary raha tsy mbola nety nandeha izy, dia hoy Nebozaradana: Miverena indray any amin’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, izay voatendrin’ ny mpanjakan’ i Babylona ho mpanapaka ny tanànan’ ny Joda ka tomoera aminy ao amin’ ny olona, na mandehana any amin’ izay tianao haleha na aiza na aiza. Dia nomen’ ny lehiben’ ny mpiambina vatsy sy fanomezana izy ka nalefany handeha.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 40
Cross References
2 Kings 22:12Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Hilkia mpisorona sy Ahikama, zanak’ i Safana, sy Akbora, zanak’ i Mikaia, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon’ andriana, hoe:
2 Kings 25:22Fa ny amin’ ny olona izay sisa tany amin’ ny tanin’ ny Joda, izay navelan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, dia Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, no notendreny ho mpanapaka azy.
Ezra 7:6io Ezra io dia niakatra avy tany Babylona (mpanora-dalàna izy sady nahay ny lalàn’ i Mosesy, izay efa nomen’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely); ary nomen’ ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban’ ny tànan’ i Jehovah Andriamaniny azy.
Nehemiah 1:11Koa mitaraina aminao aho, ry Jehovah ô, mihainoa ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fivavaky ny mpanomponao rehetra izay faly amin’ ny fahatahorana ny anaranao; ary hambinina anie ny mpanomponao anio, ary aoka hahazo famindram-po eo imason’ io lehilahy io aho. Fa mpitondra kapoaky ny mpanjaka aho.
Job 22:29Raha misy mietry, dia hataonao hoe: Misandrata; fa ny manetry tena hovonjeny.
Proverbs 21:1Rano velona eo an-tànan’ i Jehovah ny fon’ ny mpanjaka, Ka tarihiny amin’ izay tiany.