Bokin'i Jeremia 41:2
Dia nitsangana Isimaela, zanak’ i Netania, sy ireo olona folo lahy niaraka taminy ka namely sabatra an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, dia nahafaty ilay efa nataon’ ny mpanjakan’ i Babylona ho mpanapaka ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 41
Cross References
2 Samuel 3:27Ary nony niverina tao Hebrona Abnera, dia nentin’ i Joaba nitanila tao anaty vavahady hiresaka aminy mangingina, kanjo nasiany tamin’ ny kibony ka matiny ho todin’ ny ran’ i Asahela rahalahiny.
2 Kings 25:25Ary tamin’ ny volana fahafito, dia avy Isimaela, zanak’ i Netania, zanak’ i Elisama, isan’ ny fianakavian’ ny mpanjaka, mbamin’ ny olona folo lahy koa ka namely an’ i Gedalia, dia nahafaty azy sy ny Jiosy ary ny Kaldeana izay tao aminy tany Mizpa.
Psalms 109:5Ny soa nataoko novaliany ratsy, Ary ny fitiavako novaliany fankahalana.
Jeremiah 40:7Ary raha ren’ ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha sy ny olom-peheziny fa ny mpanjakan’ i Babylona efa nanendry an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, ho mpanapaka ny tany sy ho mpitandrina ny lehilahy mbamin’ ny zaza amim-behivavy ary ny malahelo sasany teo amin’ ny tany izay tsy mbola lasan-ko babo tany Babylona,
Jeremiah 40:16Fa hoy Gedalia, zanak’ i Ahikama, tamin’ i Johanana, zanak’ i Karea: Aza manao izany ianao, fa miampanga lainga foana an’ Isimaela ianao.