Bokin'i Jeremia 41:8
Fa nisy folo lahy tamin’ ireo nanao tamin’ Isimaela hoe: Aza vonoina izahay; fa manan-tahiry any an-tsaha izahay, dia vary tritika sy vary hordea sy diloilo ary tantely. Ka dia nijanona izy, fa tsy namono ireo tahaka ny efa nataony tamin’ ny namany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 41
Cross References
Job 2:4Ary Satana dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin’ ny hoditra, eny, izay rehetra ananan’ ny olona dia homeny ho-fefin’ ny ainy.
Proverbs 13:8Ny haren’ ny olona dia avotry ny ainy; Fa ny levilevy tsy mampiraika ny malahelo akory.
Matthew 6:25Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana?
Mark 8:36Fa inona no soa azon’ ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?