Bokin'i Jeremia 44:2
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Hianareo efa nahita ny loza rehetra izay nataoko nihatra tamin’ i Jerosalema sy ny tanànan’ ny Joda rehetra; ary, indro, efa tany lao ireo ankehitriny, ka tsy misy olona monina intsony ao aminy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 44
Cross References
Leviticus 26:32Ary hataoko lao ny tany, ka ho talanjona amin’ izany ny fahavalonareo izay monina eo.
Deuteronomy 29:2dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan’ ny masonao, dia ireny famantarana sy fahagagana lehibe ireny.
2 Kings 21:13Ary hohenjaniko ato Jerosalema ny famolainan’ i Samaria sy ny pilaon’ ny taranak’ i Ahaba; ary hamaoka an’ i Jerosalema Aho, toy ny olona mamaoka lovia ka sady mamaoka no manohoka azy koa.
Isaiah 24:12Fahafoanana ihany no sisa ao an-tanàna, satria rava sady montsamontsana ny vavahady,
Jeremiah 4:7Misy liona miakatra avy any anaty kirihitrala, ary ilay mpanimba ny firenena dia efa miainga, efa mivoaka avy amin’ ny fitoerany hahafoana ny taninao, ary hahalao ny tanànanao, ka tsy hisy mponina.
Jeremiah 8:3Ary ny sisa rehetra amin’ ity taranaka ratsy ity, izay mbola sisa any amin’ ny tany rehetra nandroahako azy, dia haniry ny ho faty noho ny ho velona, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.