The Bible Software
bible.software › Bokin'i Jeremia › Bokin'i Jeremia 44 › Bokin'i Jeremia 44:25

Bokin'i Jeremia 44:25

Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Hianareo sy ny vadinareo samy niteny tamin’ ny vavanareo sady nanatanteraka tamin’ ny tananareo ka nanao hoe: Hanefa tokoa izay efa nivoadianay izahay ka handoro ditin-kazo manitra ho an’ ny mpanjakavavin’ ny lanitra sy hanidina fanatitra aidina ho azy; eny, hefainareo tokoa ny voadinareo sady hataonareo tanteraka.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Thus saith the LORD of hosts, the God of Israel, saying; Ye and your wives have both spoken with your mouths, and fulfilled with your hand, saying, We will surely perform our vows that we have vowed, to burn incense to the queen of heaven, and to pour out drink offerings unto her: ye will surely accomplish your vows, and surely perform your vows.

In Context

24Ary hoy koa Jeremia tamin’ ny olona rehetra sy tamin’ ny vehivavy rehetra: Mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ry Joda rehetra, izay atỳ amin’ ny tany Egypta:

26Koa henoinareo ny tenin’ i Jehovah, ry Joda rehetra, izay monina atỳ amin’ ny tany Egypta: Indro Aho efa nianiana tamin’ ny anarako lehibe, hoy Jehovah, fa tsy hotononin’ ny vavan’ ny lehilahy amin’ ny Joda eran’ ny tany Egypta intsony ny anarako hanao hoe: Raha velona koa Jehovah Tompo.

Read all of Bokin'i Jeremia 44

Cross References

Job 34:22Tsy misy aizina na alim-pito, Izay hieren’ ny mpanao ratsy.

Jeremiah 44:15Ary ny lehilahy rehetra, izay nahalala fa ny vadiny efa nandoro ditin-kazo manitra ho an’ andriamani-kafa, sy ny vehivavy rehetra izay nitsangana teo, dia vahoaka be dia be, ary ny olona rehetra izay nonina tany amin’ ny tany Egypta, tao Patrosa, dia namaly an’ i Jeremia hoe:

Jeremiah 44:17Fa hataonay tokoa ny teny rehetra izay naloaky ny vavanay, dia ny handoro ditin-kazo manitra ho an’ ny mpanjakavavin’ ny lanitra sy ny hanidina fanatitra aidina ho azy, toy ny efa nataonay sy ny razanay sy ny mpanjakanay ary ny mpanapaka anay tany amin’ ny tanànan’ ny Joda sy teny amin’ ny lalamben’ i Jerosalema; fa fahizany dia voky hanina izahay sady nambinina ary tsy nahita loza.

Matthew 14:9Dia nalahelo ny mpanjaka; kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia nandidy ihany izy mba homena izany.

James 1:14fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ ny filany sy fitahiny izy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Jeremia 44:25

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Jeremia 44:24Bokin'i Jeremia 44Bokin'i Jeremia 44:26 →