Bokin'i Jeremia 44:28
Ary izay afa-mandositra ny sabatra dia ho tafaverina avy atỳ amin’ ny tany Egypta ho any amin’ ny tanin’ ny Joda, ho vitsy foana anefa ireny; ary ny sisa amin’ ny Joda rehetra izay mankany amin’ ny tany Egypta hivahiny any dia hahafantatra izay ho tò teny, na ho Izaho, na ho izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 44
Cross References
Numbers 14:28Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, dia araka izay nolazainareo teo anatrehako no hataoko aminareo:
Psalms 33:11Ny fisainan’ i Jehovah maharitra mandrakizay, ny hevitry ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby.
Isaiah 10:22Fa na dia tahaka ny fasika any amin’ ny ranomasina aza ny isan’ ny Isiraely olonao, dia izay sisa aminy ihany no hiverina; Voatendry ny fandringanana izay hanafotra ho famaliana marina;
Isaiah 27:12Ary amin’ izany andro izany dia hisy fampihintsanana ataon’ i Jehovah hatramin’ ny ony mandriaka ka hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta; Ary ianareo samy hotsimponina tsirairay, ry Zanak’ Isiraely.
Isaiah 46:10Izay manambara ny farany hatramin’ ny voalohany, ary nanambara hatramin’ ny ela izay tsy mbola natao akory, dia ilay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra,
Jeremiah 44:16Raha ny amin’ ilay teny voalazanao taminay tamin’ ny anaran’ i Jehovah, dia tsy hihaino anao izahay.