The Bible Software
Bokin'i Jeremia · Baiboly Malagasy (1865)

Bokin'i Jeremia 45

1Ny teny izay nataon’ i Jeremia mpaminany tamin’ i Baroka, zanak’ i Neria, fony izy nanoratra ireto teny ireto tamin’ ny taratasy avy tamin’ ny vavan’ i Jeremia tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, hoe:

2Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny aminao, ry Baroka:

3Hoy ianao: Idiran-doza aho ity! fa nampian’ i Jehovah alahelo ny fanaintainako; efa sasatra ny misento aho ka tsy mahita fitsaharana.

4Lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, horavako izay efa naoriko, ary hongotako izay efa namboleko, dia izao tany rehetra izao.

5Mitady zavatra lehibe ho anao va ianao? aza mitady izany! fa, indro, hahatonga loza ho amin’ ny nofo rehetra Aho, hoy Jehovah; fa raha ny ainao dia homeko anao ho babonao ihany any amin’ izay rehetra nalehanao.

← Bokin'i Jeremia 44Read In The App, Free →Bokin'i Jeremia 46 →

Study Bokin'i Jeremia 45

KJVMatthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)Reina-Valera (Español)Bíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)

All Chapters

12345678910111213141516171819202122232425262728293031323334353637383940414243444546474849505152