Bokin'i Jeremia 47:2
Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, misy rano mizotra avy any avaratra ka ho tonga ony maria manafotra ny tany mbamin’ izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna mbamin’ izay monina ao aminy; Ka dia hitaraina ny olona, ary hidradradradra ny mponina rehetra amin’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 47
Cross References
Psalms 50:12Raha mba noana Aho, dia tsy hilaza aminao; fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy.
Psalms 98:7Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.
Isaiah 14:31Midradradradrà, ry vavahady, ary mitaraina, ry tanàna; Aoka ho ketraka avokoa ianao, ry Filistia! Fa misy setroka mitranga avy any avaratra, ary tsy misy miala amin’ ny laharany akory ny miaramilany.
Isaiah 15:8Fa ny fitarainany manodidina ny sisin’ i Moaba, re hatrany Eglaima ny fidradradradrany Eny, re hatrany Ber-elima ny fidradradradrany.
Isaiah 22:4Koa izany no anaovako hoe: Mihodìna tsy hijery ahy, fa hitomany mafy dia mafy aho; Aza dia fatra-pampionona ahy noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy
Isaiah 59:19Ary hatrany andrefana dia hatahotra ny anaran’ i Jehovah ny olona ary ny voninahiny hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro; ary ny fihaviny dia ho toy ny rano maria, Ampandehanin’ ny Fanahin’ i Jehovah.