Bokin'i Jeremia 47:4
Noho ny hihavian’ ny andro handravana ny Filistina rehetra sy handringanana izay sisa rehetra amin’ ny mpamonjy an’ i Tyro sy Sidona; Fa horavan’ i Jehovah ny Filistina, dia ny sisa avy any amin’ ny nosy Kaftora.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 47
Cross References
Genesis 10:13Ary Mizraima niteraka ny Lodita sy ny Anamita sy ny Lehabita sy ny Naftohita
Deuteronomy 2:23ary ny amin’ ny Avita, izay nonina am-bohitra hatrany Gaza, dia naringan’ ny Kaftorita, izay avy tany Kaftora, izy; ary ireo no nonina nisolo azy).
1 Chronicles 1:12sy ny Patrosita sy ny Kaslohita (izay nihavian’ ny Filistina) ary ny Kaftorita.
Psalms 37:13Ny tompo mihomehy azy, satria hitany fa ho tonga ny androny.
Isaiah 20:6Ary amin’ izany andro izany ny mponina etỳ amoron-dranomasina dia hanao hoe: He! ity manjo ilay nantenaintsika sady nandosirantsika ho famonjena antsika ho afaka amin’ ny mpanjakan’ i Asyria! Aiza intsony re no handosirantsika?
Isaiah 31:8Ary ny Asyriana ho lavon’ ny sabatra izay tsy mba an’ olombelona, eny, sabatra izay tsy mba an’ olombelona no handringanana azy; Dia handositra ny sabatra izy, ary ny zatovony hampanaovina fanompoana,