Bokin'i Jeremia 48:35
Ary hatsahatro ao Moaba koa Izay miakatra hanatitra amin’ ny fitoerana avo sy izay mandoro ditin-kazo manitra ho an’ ny andriamaniny, hoy Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 48
Cross References
Numbers 28:14Ary ny fanatitra aidina momba izany dia divay antsasaky ny hina amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy iray, ary ampahatelon’ ny hina ho amin’ ny isan-ondrilahy iray, ary ampahefatry ny hina ho amin’ ny isan-janak’ ondry iray. Izany no fanatitra dorana amin’ ny isam-bolana, araka ny volana amin’ ny taona.
Isaiah 15:2Miakatra ho ao amin’ ny tempoly sy ho ao Dibona ny olona, dia ao amin’ ny fitoerana avo, mba hitomany; any Nebo sy Medeba no idradradradran’ i Moaba; Mibory ny loha rehetra; Voaharatra ny somotra rehetra.
Jeremiah 11:13Fa araka ny isan’ ny tanànanao, ry Joda, no isan’ ny andriamanitrao, Ary araka ny isan’ ny lalamben’ i Jerosalema no isan’ ny alitara naorinareo ho an’ ilay mampahamenatra. Dia alitara handoroana ditin-kazo manitra ho an’ i Bala.