Bokin'i Jeremia 48:37
Fa mibory ny loha rehetra. Ary voaharatra ny somotra rehetra, misy tetika amin’ ny tanana rehetra sy lamba fisaonana amin’ ny valahana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 48
Cross References
Genesis 37:34Ary Jakoba dia nandriatra ny fitafiany ka nisikina lamba fisaonana tamin’ ny valahany; ary nisaona ny zanany andro maro.
1 Kings 18:28Dia niantso mafy indray ireo sady nitetika ny tenany araka ny fanaony amin’ ny sabatra sy ny lefona mandra-pahaloa-drà tamin’ ny tenany.
2 Kings 6:30Ary nony nandre ny tenin-dravehivavy ny mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany; ary nitsangantsangana teny ambonin’ ny manda izy, ka hitan’ ny olona fa, indro lamba fisaonana no nataony manolo-koditra.
Isaiah 3:24Ary ny manitra hosoloana ny maimbo; Ary ny fehin-kibo tsara hosoloana ny mahazaka; Ary ny volo voavoatra tsara hosoloana ny boriana; Ary ny akanjo miebanebana hosoloana ny lamba fisaonana; Ary ny hatsaran-tarehy hosoloana ny tomboka amin’ ny vy mahamay.
Isaiah 20:2tamin’ izany andro izany no nampitondran’ i Jehovah teny an’ Isaia, zanak’ i Amoza, hoe: Andeha, borahy ny lamba fisaonana ho afaka amin’ ny valahanao, ary esory ny kiraronao hiala amin’ ny tongotrao. Dia nanao izany izy ka nandeha tsy nitafy sady tsy nikiraro.
Jeremiah 16:6Ho faty na ny lehibe na ny kely amin’ ity tany ity; Samy tsy halevina na hisaonana izy, na hitetehan’ ny sasany tena, na hiboriany;