Bokin'i Jeremia 48:8
Ary ny mpandringana ho tonga ao amin’ ny tanàna rehetra, ka tsy hisy tanàna tsy ho afaka; Ny lohasaha koa ho simba, ary ny tany lemaka ho rava, araka izay nolazain’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Omeo elatra Moaba, fa hanidina izy ka ho lasa; Ary ho lao ny tanànanay, ka tsy hisy mponina.
Read all of Bokin'i Jeremia 48
Cross References
Joshua 13:9dia hatrany Aroera, izay eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanàna izay eo afovoan’ ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba ka hatrany Dibona,
Joshua 13:21ary ny tanàna rehetra any amin’ ny tany lemaka sy ny fanjakana rehetra an’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay nanjaka tany Hesbona fa resin’ i Mosesy izy sy ireo andrianan’ ny Midianita, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba, andriana izay nanoa an’ i Sihona ka nitoetra teo amin’ ny tany.
Jeremiah 15:8Ny mpitondratenany mihamaro eo imasoko mihoatra noho ny fasika any an-dranomasina; Mitondra mpandringana ho ao aminy Aho handripaka ny renin’ ny zatovo, na dia mitataovovonana aza ny andro; Ataoko tonga tampoka aminy ny fanaintainana sy ny tahotra.
Jeremiah 48:18Ry Dibona, zanakavavy mponina, midìna miala amin’ ny voninahitrao, ka mitoera ao amin’ ny tany mangentana, fa ilay mandringana an’ i Moaba dia miakatra mamely anao sady mandrava ny fiarovanao.
Jeremiah 51:56Fa tonga ao aminy, dia ao Babylona, ny mpandringana, ary voasambotra ny lehilahy maheriny; Tapatapaka avokoa ny tsipìkany Satria Jehovah dia Andriamanitry ny famaliana ka hamaly tokoa.