Bokin'i Jeremia 49:14
Fa efa nahare filazana avy tamin’ i Jehovah aho, ary nisy iraka nalefa ho any amin’ ny jentilisa hanao hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa hamely azy, ary mitsangàna hanafika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Fa, indro, hataoko tsinontsinona eo amin’ ny firenena ianao sy fanazimbazimba eo amin’ ny olona,
Read all of Bokin'i Jeremia 49
Cross References
Isaiah 18:2Izay mampandeha iraka eny ambonin’ ny ranomasina, ao anaty lakan-jozoro ambonin’ ny rano, ka manafatra azy hoe: Mandehana, ry iraka faingam-pandeha, ho any amin’ ny firenena lava tsanganana sady mandimandina, any amin’ ny olona mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany, dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, izay vakin’ ny ony maro ny taniny.
Isaiah 37:7Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy, ka hiverina ho any amin’ ny taniny; dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.
Jeremiah 51:11Lambolamboy ny zana-tsipìka, tano ny ampinga; Jehovah efa namporisika ny fanahin’ ny mpanjakan’ ny Mediana; Fa ny hamely an’ i Babylona no nosaininy, mba handringanana azy; Fa famalian’ i Jehovah izany, eny, famaliana noho ny tempoliny.
Jeremiah 51:46Ary fandrao ketraka ny fonareo, ka matahotra ianareo noho ny tsaho miely amin’ ny tany; Fa amin’ ny iray taona dia hisy tsaho, ary amin’ ny taona manaraka indray dia mbola hisy tsaho ihany koa sy loza amin’ ny tany, dia mpanapaka mamely mpanapaka.
Obadiah 1:1Ny fahitan’ i Obadia. Izao no lazain’ i Jehovah Tompo ny amin’ i Edoma: Nahare filazana avy tamin’ i Jehovah izahay, Ary nisy iraka nalefa ho any amin’ ny jentilisa hanao hoe: Mitsangàna, aoka isika hitsangana hanafika azy!