Bokin'i Jeremia 49:19
Indro, toy ny fiakatry ny liona avy any amin’ ny kirihitrala eny amoron’ i Jordana no hiakarany ho any amin’ ny misy ahitra mateza; Fa hampandosiriko tampoka Edoma hiala ao, ary izay olona iray voafidy no hotendreko hanapaka azy. Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra amiko, ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 49
Cross References
Exodus 15:11Jehovah ô, iza moa no tahaka Anao amin’ izay andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin’ ny fahamasinana, deraina amin’ ny fahatahorana, Mpanao fahagagana?
1 Chronicles 12:15Ireo no nita an’ i Jordana tamin’ ny volana voalohany, fony iny nihoatra ny morony rehetra; ary nampandositra izay rehetra teny amin’ ny lohasaha na atsinanana na andrefana ireo.
Job 9:19Raha ny amin’ ny herin’ ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin’ ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko?
Job 23:3Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy ka ho tonga any amin’ ny fitoerany aza!
Job 41:10Ny fieviny dia mampamirapiratra fahazavana, ary ny masony dia tahaka ny hodimason’ ny maraina.
Psalms 76:7Noho ny teny mafy nataonao, ry Andriamanitr’ i Jakoba, dia sondrian-tory ny kalesy sy ny soavaly.