Bokin'i Jeremia 49:2
Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hampandrenesako akoran’ ady amin’ ny famelezana an’ i Raban’ ny taranak’ i Amona, ary ho tanànaolo rava izy, ary ny zana-bohiny hodorana amin’ ny afo; Ary ny Isiraely hahalasa ny an’ izay nahalaza azy, hoy Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 49
Cross References
Deuteronomy 3:11Fa Oga, mpanjakan’ i Basana, ihany no sisa velona tamin’ ny Refalta; indro, farafara vy ny farafarany (tsy ao Raban’ ny taranak’ i Amona va Izany?), sivy hakiho ny halavany, ary efatra hakiho ny sakany, araka ny hakihon’ ny lehilahy.
2 Samuel 11:1Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin’ ny andro fandehanan’ ny mpanjaka hiady, dia naniraka an’ i Joaba sy ny mpanompony ary ny Isiraely rehetra Davida, ka nandringana ny taranak’ i Amona ireo sady nanao fahirano an’ i Raha; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany.
Psalms 48:11Araka ny anaranao, Andriamanitra ô, no fiderana Anao hatramin’ ny faran’ ny tany; feno fahamarinana ny tananao ankavanana.
Isaiah 11:14Fa hipaoka ny tanin’ ny Filistina any andrefana ireo sy hiara-mamabo ny zanaky ny atsinanana; amin’ i Edoma sy Moaba no haninjirany ny tanany, ary ny taranak’ i Amona hanoa azy.
Isaiah 14:2Dia haka azy ny firenena ka hanatitra azy hody; ary ny taranak’ Isiraely hanana azy ho ankizilahiny sy ankizivaviny ao amin’ ny tanin’ i Jehovah; dia ho tonga mpamabo izay namabo azy izy; ary hampanompo izay nampahory azy.
Jeremiah 49:1Ny amin’ ny taranak’ i Amona, Izao no lazain’ i Jehovah: Moa tsy manan-janakalahy va Isiraely? Ary tsy manan-kandova va izy? Koa nahoana Gada no lasan’ ny mpanjakany, ary ny vahoakany monina ao amin’ ny tanànany?