Bokin'i Jeremia 49:23
Ny amin’ i Damaskosy. Very hevitra Hamata sy Arpada, fa nandre filazan-doza izy ka kivy; Misamboaravoara ny ranomasina ka tsy mety tafatoetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 49
Cross References
Genesis 15:2Ary hoy Abrama: Jehovah Tompo ô, inona no homenao ahy? fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, ary ny ho tompon’ ny ahy dia ilay Eliezera avy any Damaskosy.
Deuteronomy 20:8Ary mbola hiteny amin’ ny olona ihany ny mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay matahotra ka osa fo? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao ho ketraka tahaka ny fony koa ny fon’ ny rahalahiny.
Joshua 14:8Kanefa ireo rahalahiko izay niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon’ ny olona; fa izaho kosa dia tanteraka tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah Andriamanitrao.
2 Samuel 17:10ary na dia izay mahery ka manana fo tahaka ny fon’ ny liona aza dia ho ketraka tokoa; fa fantatry ny Isiraely rehetra fa lehilahy mahery rainao, sady lehilahy mahery koa ireny manaraka azy ireny.
2 Kings 17:24Ary ny mpanjakan’ i Asyria nitondra olona avy tany Babylona sy Kota sy Ava sy Hamata sy Sefarvaima ka namponina azy teny amin’ ny tanànan’ i Samaria nisolo ny Zanak’ Isiraely; dia nahazo an’ i Samaria ireny ka nitoetra teny amin’ ny tanànany.
2 Kings 19:13Aiza ny mpanjakan’ i Hamata sy ny mpanjakan’ i Arpada ary ny mpanjakan’ ny tanàna Sefarvaima sy Hena ary Iva?