Bokin'i Jeremia 49:28
Ny amin’ i Kedara sy ny fanjakan’ i Hazora, izay resin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona. Izao no lazain’ i Jehovah: Mitsangàna ianareo, ka miakara hamely an’ i Kedara, ary aringano ny zanaky ny atsinanana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
27Ary hisy afo hampirehetiko ao anatin’ ny mandan’ i Damaskosy, handevona ny lapan’ i Beni-hadada.
Read all of Bokin'i Jeremia 49
Cross References
Genesis 25:13Izao no anaran’ ny zanakalahin’ Isimaela, araka ny anarany sy araka ny taranany: Nebaiota, lahimatoan’ Isimaela, sy Kedara sy Adbela sy Mibsama
1 Chronicles 1:29Izao no taranany: Nebaiota, lahimatoan’ Isimaela, dia Kedara sy Abdela sy Mibsama
Psalms 120:5Lozako, fa mivahiny eto amin’ ny Maseka aho Ary mitoetra ato an-dain’ ny Kedarita!
Isaiah 11:14Fa hipaoka ny tanin’ ny Filistina any andrefana ireo sy hiara-mamabo ny zanaky ny atsinanana; amin’ i Edoma sy Moaba no haninjirany ny tanany, ary ny taranak’ i Amona hanoa azy.
Isaiah 21:13Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Arabia. Any an’ ala any Arabia no andrianareo, ry andian’ ny Dedanita.
Isaiah 42:11Aoka ny efitra sy ireo tanàna eny aminy hanandratra ny feony, dia ny vohitra izay onenan’ i Kedara; Aoka hihoby ny mponina any Sela; Ary aoka hanao feo avo any an-tampon’ ny tendrombohitra izy.