Bokin'i Jeremia 49:29
Halainy ny lainy sy ny ondry aman’ osiny, ho entin’ ny ambain-dainy mbamin’ ny fanaka rehetra sy ny ramevany, sady hiantsoantso hilaza aminy hoe izy: Misy fampangorohoroana manodidina!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 49
Cross References
Judges 6:5fa niakatra izy nitondra ny omby aman’ ondriny sy ny lainy, ka ny fihaviny dia tahaka ny valala ny hamarony, ary tsy hita isa izy sy ny ramevany; dia niditra tamin’ ny tany izy handrava azy
Judges 8:21Ary hoy Zebaha sy Zalmona: Aoka ianao no hitsangana hamely anay; fa araka ny toetry ny olona ihany ny heriny. Dia nitsangana Gideona ka namono an’ i Zebaha sy Zalmona ary naka ny ravaka sarim-bolan-tsinana, izay teo amin’ ny vozon’ ny ramevany.
1 Chronicles 5:20Ary nombana hamely ireo izy, ka dia voatolotra teo an-tànany ny Hagarita mbamin’ izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin’ Andriamanitra teo amin’ ny ady izy, ary nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy.
Psalms 31:13Efa hadino tahaka ny olona maty izay tsy tsaroana intsony aho; tahaka ny vilany ariana aho.
Isaiah 13:20Tsy honenana mandrakizay izy ary tsy hitoerana intsony hatramin’ ny taranaka fara mandimby, Tsy hisy Arabo hanorin-day any, na mpiandry ondry hampandry ny ondriny any;
Jeremiah 4:20Fandravana mifanontona no ambara, rava ny tany rehetra; Rava tampoka ny laiko, eny, rava indray mipi-maso monja ny ambain-daiko.