Bokin'i Jeremia 49:31
Mitsangàna, iakaro ny firenena miadana izay tsy manana ahiahy, hoy Jehovah. Dia izay tsy misy vavahady mirindrina na mihidy sady mitoka-monina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 49
Cross References
Numbers 23:9Fa eto an-tampon’ ny vatolampy no ahitako azy, ary eto amin’ ny havoana no itazanako azy; indro, firenena mitoka-monina izy, ary tsy hatao ho isan’ ny jentilisa.
Judges 18:7Dia nandeha izy dimy lahy ka tonga tany Laisy, ary hitany ny olona tao, fa nonina tsy nanana ahiahy tahaka ny fanaon’ ny Sidoniana izy, dia nandry fahizay ka tsy nanana ahiahy, sady tsy nisy mpanapaka hampahory azy teo amin’ ny tany na amin’ inona na amin’ inona; ary lavitra ny Sidoniana izy sady tsy nanan-draharaha tamin’ olona akory.
Psalms 123:4Eny, tototry ny famingavingan’ ny miadana ny fanahinay, Sy tototry ny fanamavoan’ ny mpiavonavona.
Isaiah 32:11Mangovita, ry vehivavy miadana, mangorohoroa, ry vehivavy matokitoky foana; Endaho ny akanjonao, ka mitanjaha, ary misikìna lamba fisaonana.
Jeremiah 48:11Moaba nandry fahizay hatry ny fony izy mbola kely ka niotrika tao amin’ ny faikany, fa tsy naidina nafindrafindra siny, ary tsy mbola lasan-ko babo izy; koa izany no aharetan’ ny tsirony ao aminy sy tsy iovan’ ny fofony.
Ezekiel 38:11ka hanao hoe: Hiakatra aho hamely ny tany izay misy tanàna tsy mimanda; hankamin’ izay mandry fahizay sy mitoetra tsy manana ahiahy aho, samy, monina ao an-tanàna tsy misy manda na hidy na vavahady izy rehetra,