Bokin'i Jeremia 49:5
Indro Aho hahatonga tahotra aminao avy amin’ izay rehetra manodidina anao, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro; Ary horoahina samy hizotra amin’ izay hitsiny avy ianareo rehetra, sady tsy hisy hamory izay mandositra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 49
Cross References
Joshua 2:9ka nanao taminy hoe: Fantatro fa efa nomen’ i Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka aminay ny fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin’ ny tany noho ny tahotra anareo.
2 Kings 19:7Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy ka hiverina ho any amin’ ny taniny, dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.
Proverbs 28:1Ny ratsy fanahy mandositra, na dia tsy misy manenjika aza; Fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora.
Jeremiah 6:25Aza mivoaka ho any an-tsaha, ary aza mandeha amin’ ny lalambe; Fa manan-tsabatra ny fahavalo, misy fampangorohoroana manodidina.
Jeremiah 20:4Fa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hataoko fampangorohoroana ho an’ ny tenanao sy ny sakaizanao rehetra ianao, ary ho lavon’ ny sabatry ny fahavalony ireo, dia ho hitan’ ny masonao izany; ary ny Joda rehetra hatolotro eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona, dia ho entiny ho babo any Babylona izy ka hovonoiny amin’ ny sabatra.
Jeremiah 48:41Afaka ny tanàna, ka azo ny batery fiarovana, ary amin’ izany andro izany ny fon’ ny lehilahy maherin’ i Moaba dia ho tahaka ny fon’ ny vehivavy mihetsi-jaza.