Bokin'i Jeremia 49:7
Ny amin’ i Edoma. Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Tsy misy fahendrena intsony va ao Temana? Very saina va ny olon-kendry? Lany va ny fahendreny?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 49
Cross References
Genesis 25:30Dia hoy Esao tamin’ i Jakoba: Mba anomezo ahy hohaniko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho (izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma).
Genesis 36:8Koa nonina tany an-tendrombohitra Seïra Esao. (Edoma izany).
Genesis 36:15Izao no loham-pirenena tamin’ ny taranak’ i Esao: ny zanakalahin’ i Elifaza, lahimatoan’ i Esao, dia Temana loham-pireneny sy Omara loham-pireneny sy Zefo loham-pireneny sy Kenaza loham-pireneny
Numbers 20:14Ary Mosesy dia naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin’ ny mpanjakan’ i Edoma hanao hoe: Izao no lazain’ i Isiraely rahalahinao: Hianao mahalala ny fahoriana rehetra izay nanjo anay:
Deuteronomy 23:7Aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy amin’ ny andronao rehetra mandrakizay.
Job 2:11Ary rehefa ren’ ny sakaizan’ i Joba telo lahy ny fahoriana rehetra izay nanjo azy, dia samy niainga avy tany amin’ ny fonenany avy izy dia Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ary nifamotoana izy mba handeha hitsapa alahelo sy hampionona azy.